Actualités

Fitsirihan’ny JIRAMA Halatra jiro am-polony sarona teny Anosy


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Mitohy ny hetsika famongorana ny fampiasana herinaratra sy rano tsy ara-dalàna ataon'ny JIRAMA,

 

 

 

izay tafiditra ao anatin'ny paikady fanarenana ny orinasa. Teny Anosy no nanatanterahana ny hetsika omaly 02 desambra, izay notarihin'ny (CLAFV) "Cellule de Lutte Anti-Fraude et Vol" eto anivon'ny JIRAMA sy ny DPRLF na ny "Direction de la Protection de Revenu et de la Lutte contre les Fraudes", ary niarahana nanatanteraka tamin'ny DACI "Direction de l'Audit et du Contrôle Interne" sy ny DTEA "Direction Technique Électricité Antananarivo". Mpanjifa 16 no notsirihina, izay misehatra amin'ny fanefena vy ny ankamaroany. Tsy fanarahan-dalàna 11 no sarona, toy ny kaontera tsy misy "disjoncteur", fizarazaràna herinaratra, kaontera noesorina nefa ny herinaratra mandeha, fanindronana taribia hisintonana herinaratra,... hoy ny Jirama. Notapahana avy hatrany ireo herinaratra tsy ara-dalàna ireo ary hanokatra fanadihadiana lalina ny JIRAMA. Ny JIRAMA dia miantso hatrany fiaraha-miasa amin'ny daholobe amin'ny fitoriana ireny tranga halatra herinaratra sy rano ireny izay miteraka fatiantoka goavana ho an'ny orinasa sady maharatsy kalitao ny famatsiana herinaratra sy rano ihany koa. Tsy mandefitra na amin'iza na amin'iza manao izao asa ratsy izao, hoy ny fanambaran’io orinasa io omaly. Marihina fa efa nisy ny fahatratrana fa vao ny herinandro teo no nahatrarana halatra herinaratra tamina tokantrano miisa 18 teny Ankatso, ary io ihany koa fa nisy ny sarona teny Anosy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT