Actualités

Fitsinjaram-pahefana tena izy Tena mbola tara i Madagasikara


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

Mbola lavitry ny fitsinjaram-pahefana tena izy isika eto Madagasikara. Efa an-dalana amin’ny fametrahana izany kosa anefa, hoy i Mahazoasy Roger, talen’ny fitsinjaram-pahefana eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany.

 

Nisy ny fifampizarana traikefa niarahan’izy ireo tamin’ireo manampahaizana avy amina firenena dimy ny faran’ny herinandro teo tetsy Anosy dia i Alemaina, Soisa, Bénin, Frantsa ary Etazonia. Tanjona ny hahafahana mametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto amintsika miainga eny ifotony. Lohalaharana amin’izany ny kaominina izay tafiditra ao anatin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tokony hirotsaka avy  hatrany any amin’ny kaominina ny fanomezana avy amin’ireo mpamatsy vola fa tsy mandalo any amin’ny fanjakana foibe intsony.  Tokony hojeren’ny fanjakana ihany koa ny mikasika ireo trosa napetraky ny Ben’ny tanàna teo aloha dimbiasan’ilay vaovao, ny resaka fitantanana ny fako izay tokony horaisin’ny kaominina ho andraikitra mivantana  fa tsy hitsabahan’ny fanjakana… Ny tsy fahasahiana mametraka io fitsinjaram-pahefana tena izy io, hoy Razanakolona Paul, Ben’ny tanànan’Antsirabe no sady filohan’ireo Ben’ny tanàna  any amin’ny Faritra Vakinankaratra no anisan’ny olana tsy hahafahan’ny kaominina eto  amintsika mandroso. Nahavelom-panantenana azy ireo ny fisian’ity atrikasa ity. Anisan’ny zava-dehibe andrasana amin’izao atrikasa izao moa ny fampiharana ilay lalàna laharana 140818 napetraky ny fanjakana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT