Mbola lavitr’ezaka ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto Madagasikara.
Raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena dia tantanan’ny fanjakana foibe avokoa ny 95%-n’ny tetibolam-panjakana ka ny 5% ambiny ihany no tsinjarain’ireo vondrom-bahoakam-paritra ahitana ny Faritra 22 sy ireo Kaominina 1549. Ny Kaominina no kitro ifaharan’ny fampandrosoana noho izy rafitra manakaiky indrindra ny vahoaka. 58 miliara ariary monja anefa ny totalin’ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana mankany amin’ireo Kaominina rehetra ireo entiny manatanteraka ireo asa fampandrosoana isan-karazany. Mbola ambany rahateo ny tahan’ny fidiran-ketra ka saika lany amin’ny fampihodinan-draharaha ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe. Miandry ny fanjakana na koa ireo mpiara-miasa any ivelany ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana vao afaka manatanteraka asa goavana. Tsy mahagaga izany satria maro ireo tanàn-dehibe no zara raha manana tetibola atokana amin’ny fampiasam-bola. 14 tapitrisa ariary isan-taona izao no mba tetibolan’ny Kaominin’i Toliara aompany amin’izay fampiasam-bola izay. Ity tanàna ity izay misy mponina iray hetsy mahery. Soa ihany fa misy ny Tahiry Fampandrosoana Ifotony izay ahazoan’ny Kaominina mahafeno ny fepetra takian’ny fandaharanasa lelavola mitentina 9 tapitrisa ariary.
Ny antsasa-manilan’ny Kaominina ihany anefa hatreto no mahazo io famatsiam-bola io ka miandry ny andiany faharoa ny ambiny. Raha ny soso-kevitry ny Banky Iraisam-pirenena dia mila fanamboarana ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana eto amintsika ka voalohany amin’izany ny famaritana mazava ny andraikitra sahanin’ny Faritany, ny Faritra ary ny Kaominina. Tokony ho tena ho masimandidy amin’ny taniny koa ny Kaominina sy ny Fokontany. Mangataka ny hanana sata manokana rahateo ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Momba ny resaka fidiram-bola manokana dia tokony hanao ezaka ny Kaominina rehetra mba hanatsara izay fidiram-bola izay. Tsy tokony hiantehitra amin’ny fanjakana foibe ny Kaominina fa manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ahazoana fanampiana ivelan’ny tetibola lanin’ny filankevitra araka ny toromarika omen’ny Banky Iraisam-pirenena hatrany. Atao mazava koa anefa ny fandaniana izay anaovana fanaraha-maso anatiny sy ataon’ny sehatra hafa.
Sary : Tokony hanana sata manokana ny renivohitr’i Madagasikara
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.