Actualités

Fitsidihana tany Atsimo Nisy fiarana minisitra nivadika ary potika ?


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Fiaram-panjakana ampiasaina minisitra iray no tra-doza, nivadibadika tany Atsimo tany, raha ny loharanom-baovao azo.

Voalaza fa tsy nitondra ny mpamily io minisitra io, fa nomeny nentin’ny rahalahiny ny fiara, saingy tra-doza ka nivadibadika. Potika tanteraka ilay fiaram-panjakana tsy mataho-dàlana “V8” fa nafenina ny raharaha, hoy ny loharanom-baovao. Tsy nisy akony mihitsy satria nezahina notakonana, izay toa midika fa tsy tamina iraka sy asa ofisialy no nampiasana azy. Manana ny mpamiliny manokana ny minisitra, saingy mahagaga fa ny rahalahiny no nitondra ny fiara mba tsy hilazana fa nampiasa ny fiara, raha zohiana ny raharaha. Fiaram-panjakana, fananam-bahoaka, handaniana volam-bahoaka ny fanetsehana azy. Moa ve tena iraka ara-panjakana no nampiasana azy sa mety antony manokana? Fa efa lasa fananam-pianankaviana ve ny Minisitera sy ny fiaram-panjakana no misy karazana kiantranoantrano tahaka izany. Tsy vao izao no nisiana fiaram-panjakana no nampiasaina tamin’ny tsy tokony ho izy tahaka izany. Ny 7 desambra 2019, fiaram-panjakana iray raitra dia raitra natao “tête de cortège” tamina mariazy, ka niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Voalaza fa avy eo fa an’ny Tahirimbolam-panjakana ilay fiara. Nanao fanambarana an-tsoratra ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta ny 8 martsa 2019 fa “tsy azo ekena ny fampiasana fiaram-panjakana amin’ny antony manokana tahaka ny mariazy na raharaham-pianakaviana hafa”. 72 ora monja taorian’izay, dia nilatsaka ny didy, nesorina tamin’ny toeran’ny Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana tamin’izany fotoana izany. Asa hanao ahoana ity raharaha iray ity. Tsy mahafantatra ny fisian’izany ve ny governemanta? Hanao fandisoana ofisialy ve ny Fanjakana ka hilaza fa tsy nisy fiarana minisitra nivadibadika sy potika tanteraka izany? Miandry ny mety ho fanazavana na fandisoana avy amin’ilay minisitra na ny departemanta misy azy na ny governemanta isika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT