Nanolotra fampitaovana mitentina 200.000 dolara Amerikanina tafiditra
anatin’ny tetikasa fanamafisana ny tany tan-dalàna amin’ny ankapobeny ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) omaly. Noraisina teny amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana teny Faravohitra izany. Anizany ny solosaina maro, fitaovana informatika isan-karazany, ary fampitaovana fampiasa amin’ny birao, niampy fampitaovana hafa hanohanana ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eny anivon’ny fonja, toy ny kidoro sy « gel désinfectant ». Hotsinjaraina amin’ireo fitaleavana eo anivon’ny Ministera foibe, ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany any Ankazoabo, Fianarantsoa, Ambovombe, Ampanihy, Tolagnaro, ny Fitsarana an-Tampony, ireo Fitsarana Ambony eto Antananarivo, ao Fianarantsoa, ao Toliara. Tsy ho diso anjara ny fandraharahana ny fonja sy ireo Trano Aro Zo eto Antananarivo, ao Tolagnaro, ao Toliara, ao Manakara, ao Mananjary ary ao Farafangana. Nambaran’ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn, fa izao no natao dia mba ho fanosehana ny ezaka amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny hoenti-manana eo anivon’ny Fitsarana, hanafainganana ny raharaham-pitsarana ho fitandroana ny zon’ny vahoaka. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, indrindra amin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao. Nohamafisin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo fa vonona hatrany ny Ministera tarihiny, hanohy ny ezaka rehetra ho fanatsarana ny asa. Tanjona ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, mba ho fitandroana ny zon’ireo voafonja. Nomarihiny manokana ny fanaraha-maso akaiky ny fahatongavan’ireo fitaovana tsirairay avy any amin’ireo izay tokony hisitraka izany ary ny fampiasana sy fikajiana azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.