Actualités

Fitsarana sy fandraharahana ny fonja Handray mpiasam-panjakana 1220


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Nankatoavina ny fangatahana alalana hikarakara fifaninanana ho fandraisana mpiasam-panjakana miisa 1 220 eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana,

 araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly. Misokatra ho an'ny rehetra ary manaja ny zon’olombelona, dia ilaina ny fandraisana mpiasa vaovao voahofana sy mahay ary ampy isa ho fanatevenana ireo mpiasa eo anivon 'ny minisitera, hoy ny Fanjakana. Mitsinjara toy izao ireo 1220 ireo : 100 mpianatra ho mpitsara na « magistrats », 200 mpianatra ho « greffiers des services judiciaires », 20 mpianatra ho « inspecteurs d’administration pénitentiaire », 50 mpianatra ho contrôleurs d'administration pénitentiaire», 50 mpianatra ho « éducateurs spécialisės », 50 mpianatra ho « greffiers comptabless », 50 mpianatra ho « encadreurs d'administration pénitentiaire», 700 mpianatra ho « agents pénitentiaires ». Nampahatsiahy ny Filoham-pirenena fa isan'ny fanamby napetraka ny fisian 'ny fifaninana fandraisana ho mpiasam-panjakana madio sy tsy misy kolikoly, koa dia mila arahina maso izao fifaninana hatao atsy ho atsy izao. Efa nisy ezaka mikasika izany tamin’ilay fianinana hiditra ho mpitsara farany teo, ary ny tompon’andraikitra isan-tokony dia tsy tokony hanaiky mihitsy ny isiana tsindry na « interventions » ataon'ny tompon'andraikitra na voatendry io na voafidy mikasika izany, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT