Actualités

Fitsarana momba ny kaonty Sady tsy ampy ny vola iasana no voafetra ny fahefany


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Andrim-panjakana misahana andraikitra goavana ny Fitsarana momba ny kaonty na ny Cour des Comptes. Miantsoroka ny fanaraha-maso ny volam-panjakana sy ny fampidiram-bola.

Mitsara ny kaonty tantanin’ny tahirimbolam-panjakana manerana ny faritra, manao fitsirihana mifototra amin’ny fanarahan-dalàna sy fitantanam-bola, misahana ny fanaraha-maso ny tetibolam-panjakana, manome tolo-kevitra ny fahefana mahefa mikasika ny fanaovana lalàna sy didy aman-dalàna izay mitarika fandaniam-bolam-panjakana, misahana ny fanaovana fanombanana ny politikam-panjakana. Arafitra anatin’ny tatitra iray aseho ampahibemeso isan-taona ka omaly 13 desambra 2022 no nanaovany tatitra, notarihin’ny Filohany Jean de Dieu Rakotondramihamina. Maivana dia maivana ny tetibolan’ny Fitsarana momba ny kaonty, izay voalaza fa nozaraina roa nanomboka ny 2019, raha toa ka nitombo avo roa heny ny tetibolam-panjakana niainga teo amin’izay vanim-potoana izay. Raha hatao ny kajy dia 7,5Ar isan-taona isaky ny mponina, izay maivana dia maivana mitaha amin’ny andraikitra sahaniny. Voafetra eo amin’ny fitaterana ny tsy fahatomombanana sy tsy fanarahan-dalàna amin’ny fitantanana ny volam-panjakana ihany anefa amin’ny ankampobeny ny fahefany. Raha mampahatsiahy toe-draharaha iray, dia nisy ny tatitra nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty nivoaka ny 17 febroary 2022 momba ny fitantanana ny vola fanampiana ho an’I Madagasikara tamin’ny fiatrehana ny coronavirus mitentina 440 tapitrisa dolara teo ho eo manodidina 1818 miliara Ar. Betsaka ny endrika tsy fanarahan-dalàna raha mijery ny tatitra saingy toa nijanona teo fa tsy nisy tohiny ireo dosie ahiana ho feno trangana kolikoly sy afera maloto. Misy ny fifampidinihana voalaza fa mandeha manoloana ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’io rafi-panjakana io sy ny ambaratongam-pahefana samihafa mba hanitsiana ny tetibolany. Hatreto, miankina betsaka amin’ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola, toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) mba ahafahana tena manodina azy. Eo anatrehan’ny fahefana izay voafetra tanteraka, misy ny volavolana tolo-dalànana hoenti-mampitombo izany. Tsara ny manamarika fa iray amin’ireo olona miisa 8 maneran-tany notsongain’ny Amerikanina ho tompondakan’ny ady amin’ny Kolikoly ny Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaonty Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina na eo aza ny olana sedrain’ity andrim-panjakana ity na ara-bola na ara-pahefana izay voafetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT