Isan’ny noresahana nandritra ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany roa volana lasa izay ny momba ilay fitsarana mikasika ny ady tany.
Nilaza ny Filohan’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) Atoa Mbitanarivo Andriantsihorisoa ny faran’ny herinandro teo, fa tsy fantatra mazava ny tena tatitra ny endrika sy ny fomba hananganana an’izany hatreto. Hizizotra hanao an’izany ihany sa tsy hatao sa hisy làlana hafa? Tena manaiky izahay, hoy izy, fa tsara raha misy ny fanafainganana eo anivon’ny fitsarana, kanefa raha vao ady madio izany, dia ny olona miady no mety maha ela na maha haingana azy. Raha 10% ny ady tany eny amin’ny fitsarana io dia am-polompolony isan-jato maro ny resaka hosoka sy fampiasana hosoka. Resaka adiheloka, ka raha vao miresaka an’izay dia tsy afaka tsaraina ny sivily raha tsy voalamina ny ady heloka. Ny antanan-tohatra misy eo amin’ny tany sy ny fanjakana dia “double degré de la juridiction ”, misy ny ambaratonga voalohany, fampiakarana, fandravana, ka tsy vita ao anatin’ny herintaona na roa taona, ka eo ny fahabetsahan’ny dosie, hoy ny Filohan’ny SMM. Izany no ilàna akony hoe: mba ahoana ny hetsika ataon’ny eo anivon’ny mpanatanteraka mba ahafahana miditra ao anatin’ny fandraisana anjara hampianatra ny vahoaka ny zavatra misy, hoy hatrany ny Filohan’ny SMM. Momba ny filazana fa voavidy foana ny fitsarana, naneho ny Filohan’ny SMM fa ilay olona niteny ve nahita maso hoe: io fa nandoa vola, io fa nisy vola noraisina. Mampianatra ny vahoaka fa raha manam-bola ihany, aleo maka mpisolovava. Tokony mba miezaka ny mpisolovava mampahafantatra sao misy dingana tsy ampy, tara,… Isika eto Madagasikara tsy ampy ny mpitsara, tsy dosie iray isan’andro, misy amin’ny 10-11ora alina vao mirava mamoaka didy. Tsy hoe: sarotiny aho, fa raha misy porofo ny resaka mpitsara mandray vola tonga dia torohy any amin’ny Bianco, tsy mety ny zavatra tsy misy porofo, hoy ny Filohan’ny SMM Atoa Mbitanarivo Andriantsihorisoa.
Legende: Ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Atoa Mbitanarivo Andriantsihorisoa
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.