Naato ny famoahana “certificat de position militaire » eny anivon` ny
Etamazaoron` ny Tafika Malagasy eny Andohalo. Manomboka anio, raha toa ka mila io antontan-taratasy io ireo tanora anelanelan` ny 19 hatramin` ny 31 taona dia tsy maintsy mandalo fitsarana miaramila (recensement militaire) eny anivon` ireo biram-pokontany voatondro isaky ny distrika izy ireo, raha ho an` Antananarivo manokana. Raha nandritra ny taona maro, dia natokana ho an` ny vatan-dehilahy ihany ny fistarana miaramila dia nisy fiovana ho amin` ity taona 2020 ity satria dia voakasika izany koa ireo vehivavy. Aorian` io dingana io dia homena karatra maitso izy ireo ary ireo izay nambara fa mendrika dia asaina hanao raharaha miaramila mandritra ny 2 taona. Ny taratasy fanamarinana fitsarana miaramila dia ilaina amin'ny fifaninanana sy fidirana amin'ny asam-panjakana isan-karazany. Ilaina ihany koa rehefa hanamboatra pasipaoro.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.