Adidy amin’ny maha-olom-pirenena, indrindra fa ho an’ireo zatovolahy feno taona ny fitsarana miaramila. Toraka izany koa ny zatovovavy.
Betsaka anefa ireo mbola mialangalana tsy mety manao izany eto amintsika. Misy ireo matahotra raha misy koa ireo kamo fotsiny tsotra izao. Nanambara ary ny talen'ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry omaly fa hisy ny fepetra horaisina mikasika ireny olona ireny. Sazy herintaona an-tranomaizina omena azy ireny manomboka izao. Miantso ireo zatovo lahy sy vavy 19 taona ka hatramin’ny 31 taona araka izany ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena mba hamonjy ireo toerana voatondro hanaovana ny fitsarana miaramila araka ny teti-andro napetraka eny amin’ireo biraon’ny distrika isan-tsokajiny. Kara-panondrom-pirenana ihany moa no ilaina mandritra ny fitsarana miaramila izay hahazoana karatra maitso maimaim-poana. Ny 31 jolay ka hatramin'ny 31 oktobra ho avy izao no hanatanterahana izany manerana ny tanin’ny Repoblika raha tsiahivina.
Tsy dia ilay sazy loatra no hoe inona fa ny fahatsapan-tenan’ny isam-batan’olona no tena zava-dehibe.Adidy ho an’ny firenena sy ny tanindrazana ny fitsarana miaramila ary hahazoana fampianarana tena ilaina eo amin’ny fiainana.Fotoana io hahatsapana fa olom-pirenena ny tena, tsy velombelom-poana eto fa manana adidy aman’andraikitra ary mifanotrona sy mifanampy amin’ny mpiara-belona.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.