Nitokana ny trano fiasan’ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana na CSM nasiam-panamboarana teny Tsaralalŕna omaly ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery.
Fotoana ihany koa io nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoan’ity filankevitra hivondronan’ireo rafi-pitsarana rehetra misy eto Madagasikara ity. Nandritra ny tafatafa no nanomezan’ny filohan’ny Repoblika ireo toromarika sy torolalana ireo mpiara-miasa misahana andraikitra eo amin’ny sehatry ny Fitsarana. Nisongadina tamin’io ny maha-zava-dehibe ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ireo rafi-pitsarana rehetra misy. Hanamarika ny fandaharam-potoana mandritra ity fivoriana ity moa ny fandinihana ny hoavy arak’asan’ireo mpitsara araka ny fotoam-piasana vitany.
Eo ihany koa ny fijerena ny asan’ireo mpitsara amin’ny ankapobeny miaraka amin’ireo fitoriana tonga ao amin’ny filankevitra nataon’ny olom-pirenena manerana ny Nosy. Aorian’ny fitsanganan’ny vaomiera misahana ny fifidianana ahitana ny minisitera miaraka amin’ireo rafitra telo eo anivon’ny Fitsarana ny fiatombohan’ny herinandro ho avy io no ho fantatra ireo mpikambana vaovao hitantana ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana mandritra ny fe-potoana 2014-2017, hoy ny Sekretera jeneralin’ny CSM, Randrinoely Martin. Vinavinaina ho ny 28 mey 2014 kosa no hifidy ireo solontenany ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ireo mpikambana ao amin’ny CSM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.