Actualités

Fitsarana Afrikanina Hampihatra lalŕna amin’ireo mpitondra meloka


  • Talata 19 Jolay 2016

Nifarana omaly tao Kigali ny fihaonana an-tampony andiany faha-27 an’ny Vondrona afrikanina.

Anisan’ireo lohahevitra nodinihana nandritra ny roa andro tao an-drenivohitr’i Rwanda ny mikasika fiahiana ny vehivavy, ny zon’ireo vitsy an’isa, ny fampiharana ny pasipaoro biometrika iombonan’ireo firenena afrikanina 54 mpikambana. Voaresaka torak’izany ny fametrahana paikady iadiana amin’ny asa fampihorohoroana. Teboka iray lehibe nifampidinihan’ireo filoham-panjakana nivory tany an-toerana ihany koa moa ny fananganana fitsarana manokana eto anivon’ny kaontinanta. Rafitra mahaleotena izy io handidy sy hanapaka ary hampihatra ny lalàna amin’ireo mpitondra fanjakana mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna. Diso fanantenana manoloana ny famotsorana ireo mpitondra firenena meloka atolotra eo anatrehan’ny fitsarana iraisampirenena mantsy ny Vondrona afrikanina. Misy ambadika politika hatrany rahateo ny didim-pitsarana havoakan’ity farany, araka ny fanampim-panazavana. Hotontosaina any Addis-Abeba Etiopia moa ny fihaonana tampon’ny Vondrona afrikanina andiany faha-28.

Nangonin-dRamano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT