Actualités

Fitsaram-bahoaka tao Ambositra Maty ilay dahalo naratra mafy, mifampiandriandry ny Fokonolona


  • Alakamisy 01 Aogositra 2013

Mandry an-driranantsy ny ankamaroan’ny vahoaka ao amin’ny tapany atsinanan’Ambositra ao ankehitriny taorian’ny famonoana sy fandorana ireo dahalo telo lahy vokatry ny fitsaram-bahoaka tao Tsararivotra sy Ankazoambo.

Vita hatreo aloha ny fanadihadiana ny tena marina saika hataon’ny mpitandro ny filaminana ilay dahalo azo sambo-belona izay sisam-paty tamin’ilay fitsaram-bahoaka satria maty tao amin’ny hopitalin’Ambositra ny alatsinainy 29 jolay teo ilay lehilahy. Mitohy tsy an-kijanona ny asa fiambenana isak’alina ao amin’ireo Fokontany maromaro mifanakaiky ilay toerana nisy ilay fitsaram-bahoaka. Manahy ny mety hisian’ny valifaty ihany koa ny olona satria nisy naka tamin’ny andro alina avokoa ny fatin’ireo olona niharan’ny fitsaram-bahoaka, izay midika fa manana fianakaviana akaiky ao Ambositra ireo noheverina ho dahalo novonoina ireo. Nalevin’ny Fokonolona sy mpiasan’ny Kaominina tao Ambositra ny alatsinany teo ihany ilay dahalo maty izay natosika borety mandra-pahatonga tany amin’ny fasam-bahiny nandevenana azy. Taorian’ity fitsaram-bahoaka ity dia somary nangingina ny asan-dahalo tao Ambositra sy ny manodidina fa mbola mitohy kosa any ambanivohitra, indrindra any amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana sy Manandriana.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT