Tsy nisy tsy nitsetra ireo nahita ity tranga tsy mbola niseho tao Toamasina ity. Lehilahy iray no notapahan’ny olona tanana raha tratra ambodiomby saika hangalatra moto scooter JOG 50.
Teo akaikin’ny Fiangonana CFC Mangarano no nitrangan’izany omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Nisy nahita ny halatra ka raikitra ny antso vonjy “mpangalatra”. Vory ny olona ary tsy nisy resaka fa dia fitsaram-bahoaka avy hatrany. Samy nidaroka azy ary tonga tamin’ny fanapahana ny tanan’ity mpangalatra tamin’ny antsy be, fa hoe “aleo hotsarainay vahoaka aty ihany ireo mpangalatra fa tsy mampatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana intsony izahay”. Vokatry ny fahaverezan-dra be loatra dia maty ny tolakandro teo amoron-dalana ilay lehilahy, satria tsy nisy mpitandro ny filaminana na mpiasan’ny Kaominina naka azy. Izy efa maty vao tonga ny mpamonjy voina naka ny razana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.