Lehilahy telo izao no maty novonoin’ny fokonolona sady nodorana tato anatin’ny roa andro monja tao amin’ny fokontany Tsararivotra Ambositra, sy kaominina Ankazoambo vokatry ny hatezeran’ny fokonolona nilazany fa dahalo ireo olona ireo.
Taorian’ilay asan-dahalo nahaverezana omby 4 tany Sandrandahy, Distrikan’i Fandriana ny alakamisy 25 jolay dia maty voadoron’ny fokonolona tao Tsararivotra ny iray tamin’ireo dahalo nangalatra ireo omby ireo ny zoma 26 jolay maraina, afaka nandositra ny dahalo 3 lahy. Ny ampitson’io ihany, ny sabotsy 27 jolay tokony ho tamin’ny 10 ora maraina dia tsikaritry ny fokonolona ireo dahalo 3 lahy tafatsoaka ireo ka nenjehin’ny olona marobe tao Tanamahalana hatrany Tsararivotra sy Ankazoambo. Tsy nisy navelan’ny olona ho velona izy telo lahy fa samy novonoina avokoa ka ny roa lahy no tena maty sady nodorana ny fatiny fa ny iray hafa izay azon’ny Polisy tao Ambositra sambo-belona no naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona azy.
Maty nodorana tao Tsararivotra ny dahalo iray, ny iray hafa kosa izay mbola karohin’ny polisy ao Ambositra ny mombamomba azy dia maty sy nodorana tao Ankazoambo. Mbola notsaboina ao amin’ny hopitaly Ambositra nanomboka ny sabotsy teo kosa ilay dahalo fahatelo naratra mafy, izay mbola anaovana famotorana rehefa salama. Araka ny nambaran’ny fokonolona dia dahalo anisan’ireo nangalatra omby tany Sandrandahy Fandriana izy ireo sady mbola nahatrarana omby 4 ihany koa ka izay no anton’ny fisian’ny fitsaram-bahoaka. Ho fantatra aorian’ny famotorana ilay maratra ny tohin’ity raharaha ity. Marihina fa efa romotra ny vahoaka ao Amoron’i Mania raha mahatratra dahalo na jiolahy manao ratsy ka tsy miantso mpitandro ny filaminana intsony fa avy hatrany dia mamono sy mandoro izay azo. Tantara mitohy.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.