Fitsaram-bahoaka

> Mpizaodahy namoy ny ainy


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013

Lonilony nateraky ny tranga halatra omby volana vitsy lasa tao Mangalaza Ambatondrazaka no niotrika lasa valifaty.

Tamin’ny herinandro lasa iny dia tonga tamin’ny tokantrano iray tao Ampatakana ny vatandehilahy miisa fito nitondra zava-maranitra sy langilangy nilaza ny hanatanteraka ny valifatiny. Mbola teo am-pihinanana sakafo hariva ireto ankohonana kely no niditra tampoka izy fito lahy. Navelan’izy ireo nandositra ny zaza amam-behivavy fa ilay raim-pianakaviana kosa norahonana sy notrobarana zava-maranitra ny maha lehilahy azy. Naheno ny antso vonjy nataon’itsy farany ny zaodahiny ka nanatona ny toeram-ponenana misy io vadin’ny anabaviny io. Vao nanatona anefa izy dia lefona no nitsatoka tamin’ny fony. Maty tsy tradrano ilehio raha mbola afaka nentina teny amin’ny hopitaly kosa ilay raim-pianakaviana. Vao nigadona teny amin’ny toeram-pitsaboana anefa ilay rangahy dia tapitra ny ainy. Rehefa avy namono azy roalahy ireo izy fito lahy milaza fa tompon’omby norobain’ireo olona novonoin’izy ireo io dia nilaza fa ny fahafatesana no sahaza ny mpangalatra. Efa nidina teny an-toerana nanao ny fanadihadiana rehetra ny zandary avy ao Ambatondrazaka ka ho hita eo ny tohin’ny toe-draharaha. Manomboka mahazo vahana any Alaotra ny fitsaram-bahoaka taorian’ny fialan’ny andia-miaramila mpampandry tany na DAS tany an-toerana.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT