Tsy tambo isaina ny fahasahiranana mianjady amin’ireo olona manana ny marary tsaboina eny amin’ny hopitalim-panjakana amin’izao fotoana izao.
Ankoatra ny tsy fiasan’ny mpitsabo ara-dalàna noho ny fitokonana ataon’izy ireo mantsy dia saika ny marary avokoa no miantoka ny fandaniana rehetra hatao. Lohalaharana amin’izany, araka ny fanadihadiana natao, ny vidim-panafody izay miova isan’andro ny karazany, arakaraka ny dokotera manao fizahana, ny sakafo, ny vola lany amin’ny fitaterana izay mitana ny 40 %-n’ny vola lanin’ny tompon’ny marary… Ho an’ireo manao “pansement” manokana mila ireo kojakoja maro samihafa toy ny “compresse” dia mahatratra hatrany amin’ny 4.000 Ar isan’andro ny vola lanin’izy ireo, araka ny fanadihadiana natao ihany… Eo an-danin’izay anefa na dia ny vola hamidy savony hanasana ny hopitaly ihany koa aza mbola olana, indrindra tato ho ato. Ireo lehiben’ny hopitaly mba tonga saina no mamoaka am-paosy ary mandray andraikitra manao izany ho fitsinjovana ny marary. Manoloana ireo rehetra ireo anefa dia mizotra araka ny tokony ho izy ny fananganana ireo hopitaly manara-penitra am-polony manerana ny Nosy.
Manodidina ny 10 miliara Ar ny fananganana ny trano iray raha manodidina ny 16 miliara Ar kosa ny fitaovana sy ny kojakoja rehetra ilaina momba izany. Volabe tokoa io voalaza etsy ambony io, araka ny fanadihadiana natao ihany nefa ireo hopitaly efa misy aza zara raha voakarakara. Tsy voahaja intsony ny zon’ny marary raha mbola resaka hafa koa ny fandraisana andraikitra tokony hataon’ny fanjakana. Tsy tokony ho ireny hopitaly efa misy ireny ve noho izany no hasiana fanatsarana mba ho fanampiana ireo manana ny marary toy izay hihazakazaka amina zavatra tsy dia mahamaika toy izao ? Anisan’ny tena marary koa mantsy io sehatry ny fahasalamam-bahoaka io eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.