Fitrandrahana vy ao Soalala sy Besalampy

> Misoratra amin’ny fanjakana ny tany


  • Sabotsy 14 Septambra 2013

Ny volana desambra 2009 no nanomboka tonga teto Madagasikara ny orinasa sinoa Wisco hanatanteraka ny tetikasa savalalana sy fitrandrahana vy ao amin’ny Kaominina Ambohipaky, Distrikan’i Soalala sy ny Kaominina Ankasakasa, Distrikan’i Besalampy rehefa nahazo alalana tamin’ny mpitondra mahefa mitondra ny datin’ny 07 mey 2010 ary nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana laharana 3311 tamin’ny 21 jiona 2010.

Tsy voalaza mazava anefa ny mikasika ity fahazoan-dalana misy karazany roa mandritra ny 5 taona mitrandraka vy ity izay mivalampatra amin’ny velaran-tany mirefy 43.214 ha. Ny taratasy manamarina ny tany izay misoratra amin’ny fanjakana nosoloan’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana tamin’izany fotoana navoakan’ny sampandraharaha momba ny fananan-tany ao Mahajanga tamin’ny 28 aogositra 2013 teo no tena nanaitra sy nahagaga ireo mponina sy ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga any an-toerana. Raha ny lalàna mikasika ny fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon’ny eto Madagasikara voarakitra ao amin’ireo andininy faha 125 hatramin’ny 129 ao amin’ny Lalàna laharana 2005-021 tamin’ny 17 oktobra 2005 nasiam-panitsiana sy ireo andininy faha-307 hatramin’ny 365 ao amin’ny didim-panjakana laharana 2006-910 tamin’ny 19 desambra 2006 mampihatra ny Lalàna mantsy dia milaza mazava fa tsy midika velively ho tompon’ny tany ny fahazaoan-dalana mitrandraka harena ankibon’ny tany. Izay indrindra no nahatonga ny ben’ny tanànan’Ambohipaky, Jean Gaston, nisintona ny sain’ireo ambaratongan-pahefana rehetra milaza ny tsy fahafantarany ny dingana nanaovana titra sy ny fanatsatoham-bato manodidina ny velaran-tany.

Ankehitriny ary dia mangataka fanampim-panazavana amin’ny fanjakana foibe mikasika ity raharaha fibodoana ny tanin’izy ireo ny mponina ao amin’ireto kaominina roa ireto. Ny zava-misy aloha dia maro ny tranga tahaka izao eto amin’ny firenena raha vao miresaka fitrandrahana harena ankibon’ny tany ary mitovy daholo ny fomba fisehon’izay fanalana ireo mponina manamaintimolaly ny tany efa maherin’ny 20 taona, raha ny fanazavana nomen’ireo fiarahamonim-pirenena tahaka ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany. Voakasik’izany, ohatra, ny ao Ihosy misy ny orinasa Tozzi Green, ny ao Mampikony misy ny Eco Formation, ny ao Analanjirofo ahitana ny Mainland, ny Rio Tinto-QMM ao Anosy, Ambatovy ao Alaotra Mangoro, Lima Holding/ Laico Bionexx ao Itasy ary Ny orinasa Daewoo niova ho MFE ao Melaky.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT