Actualités

Fitrandrahana vatosoa eto Madagasikara Nitsangana hanara-maso ny resa-bola ny PCQVP


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Tafatsangana eto Madagasikara ankehitriny ny vondrona PCQVP (Publiez ce que vous payez) izay itambaran’ireo fiarahamonim-pirenena samihafa.

Fikambanana iraisam-pirenena efatra no mivondrona ao anatiny hatreto dia ny UNMDH, Transparency International, Kmf-Cnoe ary ny Solo Gouvernance. Ho antsika Malagasy manokana dia mbola anaovana antso avo ny handraisan'ireo fiarahamonim-pirenenantsika anjara amin'izany. Natao indrindra hanehoana ny mangarahara sy ny fitantanana ny vola azo avy amin'ny fitrandrahana vatosoa ity vondrona ity. Hisy, araka izany, ny fanentanana sy fitakiana amin'ireo mpitrandraka sy ny fanjakana ny vola manodidina ity sehatra ity ary avoaka amim-pomba ofisialy imasom-bahoaka izany satria tokony hiverina ho an'ny tombontsoam-bahoaka, indrindra amin'ireo Faritra nitrandrahana ny vato ny anjarany. Maro be ireo vahiny liana ny hitrandraka vatosoa eto Madagasikara ary tsy vitsy ihany koa ireo efa tafiditra eto. Tsy mbola fantatry ny vahoaka mazava anefa hatreto hoe mankaiza marina ny vola azo amin'izy ireny ary mandoa ireo hetra tokony haloany tokoa ve ireo rehetra mitrandraka ity vokatra ity ? Faha-33 i Madagasikara maneran-tany amin'ny fananganana ity vondrom-pikambanana hanara-maso ny resa-bola amin’ny fitrandrahana vatosoa ity.

 

Manohy

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT