Actualités

Fitrandrahana vatosoa any Ambatondrazaka Nanara-maso akaiky ny CT Rasoamalala Odette Brenda


  • Alakamisy 24 Mey 2012

Mbola ho fahafinaretana ho antsika ve ireny lakrimozena afafy amintsika mpitolona sy mihanaka manerana ny trano sy toerana manodidina mizaka ny tsy eran’ny aina tsy fidiny ireny ? hoy Rasoamalala Odette Brenda, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

Angamba ampy izay ny fisalasalana ho an’izay tsy nahatsapa teo aloha fa hery famoretana no manjakazaka eto amintsika ankehitriny ka tonga ety an-kianja hanambatra hery hamaranana ity tolona ity. Nasiany teny ihany koa ny zava-misy any Alaotra Faritra fiaviany. An-jatony ireo teratany Srilankey tonga mividy vato any Ambatondrazaka ankehitriny ary manana taratasy mazava mikasika azy rehefa nosavaina tsirairay, hoy izy, ary tsy misy olana ny amin’izy ireo ny manofa trano lafo ao an-tanàna ka mahavelom-bolo ny mponina izany. Fa ny amin’ireo Afrikanina sy ireo teratany Malagasy mpiavy no ahiahiana. Voatery nanao fisavana niaraka tamin’ireo polisy mpitandro ny filaminana tany amin’ny toerana nipetrahan’ireo vahiny ireo ny tenako, hoy ny CT Brenda, satria be ireo ray aman-dreny nitaraina fa tsy hita ny zanany vavy.

Tsy nahita zazavavy nialokaloka tany an-tranon’ireo vahiny anefa izahay rehefa nanao fisavana, hoy izy, ary rehefa izany dia nanolotra soson-kevitra tamin’ireo Srilankey ny hanatonany ny Kaominina ka handoa ny haba tokony ho efainy. Fangatahanay tamin’izy ireo koa, hoy ity CT ity, ny tokony handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanamboarana ny arabe ao Ambatondrazaka tampon-tanàna izay ratsy dia ratsy tokoa ankehitriny nefa ivezivezen’ireto vahiny ireto ary dia nanaiky izany ireo Srilankey. Tsy marina araka izany ny filazana mandeha any an-tanàna fa mandroaka ireto vahiny ireto izahay, hoy ny fanamarihan-dRtoa Brenda fa izahay aza miaro ny tombontsoan’ny tanàna sy ny mponina. Nanamarika moa izy fa mitaraina koa ny mpamboly any Ambato ankehitriny fa ambany dia ambany, (420 Ariary, ny kilaon’ny vary akotry amin’izao fotoana izao any an-toerana nefa tokony ho any amin’ny 600 Ariary any izany ka tena tsy mahaleo ny sarany ny vidiny.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT