Actualités

Fitrandrahana vato any Ambatondrazaka Zaza 4 taona nalaina hatao sorona


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Ankizy vavy kely tokony 4 taona mipetraka ao amin'ny zanabohitra Tanamandroso, fokontany Avaradrova avaratra,

 

 no nisy nangalatra ny takarivan’ ny talata teo. Fantatra fa saika hatao sorona amin'ireny kariera vato misy fitrandrahana sarobidy ireny izy io. Tovolahy vao erotrerony tokony ho 25 taona ny nahavanon-doza. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa notambantambazany ilay zazavavy kely dia nentiny tamin'ny moto nitsoaka avy eo. Tao amin'ny fokontany Ambohimasina izy no tratran’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Tantsambo no rain’ity zaza ity, araka ny angom-baovao natao, ary mbola mamita iraka any ivelany. Ny reniny sy ny renibeny kosa no mitaiza azy. Efa eny am-pelatanan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatondrazaka ny raharaha.

 

Mila ra latsaka ?

 

Manomboka mirohotra any amin’iny faritra Alaotra iny indray ankehitriny ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany toy ny merkiora, safira ary volamena. Fantatra fa roa volana mahery kely lasa teo izay dia nisy andiana sinoa nanao fitsirihana tany an-toerana ka anisan’ny toerana nalehan’izy ireo ny tao Amparahitsokatra sy Imerimandroso, izany hoe any amin’ny tapany avaratr’Ambatondrazaka. Avy eo niitatra tany amin’ny kaominin’i Soalazaina indray any andrefana io fitsirihana io. Nisy ireo mponina any an-toerana izay amin’ny maha zanatany azy moa dia mahafantatra zavatra maro. Nokaramain’ny Sinoa izy ireo ka nanondro ny toerana mety misy harena ankibon’ny tany, araka ny fanadihadiana natao. Mampahatsiahy ny mponina any an-toerana fa nisy ny fanjavonana vehivavy mitondra vohoka mialoha ny nipoiran’ny fitrandrahana safira tao Didy Ambatondrazaka, efa-taona lasa izay. Tsy any Ambatondrazaka ihany fa amina faritra maro eto amin’ny nosy ny handrenesana zavatra mitovitovy amin’izany izay toa milaza fa misy foana ny sorona atao izay tena fandatsahan-dra sy famonoana olombelona mialoha ny hanombohana fitrandrahana amina kariera iray. Ankizy sy vehivavy bevohoka matetika no lasibatra. Tranga tokony hanaovan’ny fanjakana fanadihadiana lalina ihany ny toy izao mba hahafantarana ny tena marina fa tsy sanatria odian-tsy hita ka lazaina fa honohono sy tsaho foana.

                                                             

Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT