Actualités

Fitrandrahana safira Ho lasa Texas i Ambatondrazaka


  • Talata 24 Aprily 2012

Mihazakazaka be mihitsy ny tontolon’ny fiarahamonina any Ambatondrazaka hatramin’izay nisian’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tany an-toerana izay.

 Ny misongadina dia ny fahabetsahan’ireo toerana fisotroana nanjary toeram-ponenana ho an’ireo vahiny tonga mividy vato any an-toerana. Betsaka ireo olona mahavita manala ny mpanofa tranony mba hahazoana vola be. Mitombo isa ireo andriambavilanitra mijorojoro mampanofa ny vatany amin’ireo vahiny. Srilankey no maro an’isa amin’ireo vahiny manorim-ponenana ao Ambatondrazaka ka ireo Malagasy efa niaraka tamin’izy ireo avy any Ilakaka ihany no miara-miasa aminy. Tapitra nahitana fisondrotam-bidy avokoa ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Raha eo amin’ny sehatry ny varotra dia ireo fitaovana fanamboarana trano no betsaka mitady, indrindra fa ny loko. Mahazo ny anjara tandrify azy koa ireo mpitatitra na fiara izany na moto. Lasa naresaka tampoka Ambatondrazaka raha isaky ny alakamisy vao mba hita taratra izany teo aloha. Ahiana hoy ireo olona sendra anay ny hisian’ny toy ny any Texas atsy ho atsy raha tsy voafehy dieny izao io fivoaram-piarahamonina any Ambatondrazaka io, satria samy efa manam-bola ny iray tanàna ka tsy olana ho an’ny sasany ny hifamono eny an-tsena.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT