Tsy maintsy hidiranay ao amin’ny tambajotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary eto Madagasikara na ny Tafo Mihaavo ny resaka fitrandrahan’ny sinoa ny harem-pirenentsika ao Soamahamanina
, hoy ny filoha nasionalin’ny Tafo Mihaavo, Razafimanandraibe Louis de Gonzague, raha nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ireo biraony teny Analakely ny zoma teo, satria ao no anisan’ny ivon’ny harem-pirenentsika. Manerana ny faritra 21 eto Madagasikara rahateo, hoy izy, ity tambajotra ity, izany hoe ao amin’ny faritr’i Melaky ihany sisa no mbola an-dalam-pametrahana azy. Itasy sy Amoron’i Mania ary Ihorombe ihany no misy alan-tapia eto amin’izao tontolo izao. Anisan’ny mampiavaka an’Itasy koa ny resaka trondro izay ankafizintsika eto Antananarivo. Ireo rehetra ireo, hoy izy dia samy tokony hamelona ireo mponina any an-toerana.
Anananay ny porofo
Maromaro ihany, hoy ity filoha ity ny fanomezan-dalana efa mivoaka ao amin’ny faritr’Itasy ao ary anananay ny porofo fa efa misy kaominina 7 no voakasika. Tsy resaka Soamahamanina irery io fa Itasy manontolo. Tsy fantatry ny mpanome alalana ve hoe misy tapia ao no eo ambonin’ireo tapia no nanomezana alalana hitrandraka ? Misy ny miteny hoe an’ny fanjakana ny ao ambany ary an’ny tompon’ny tany kosa ny roa metatra ao ambony. Ny fahafantarako ny atao hoe “fanjakana” aty amin’ny tany demokratika, hoy ity filoha ity, dia ny vahoaka no atao hoe fanjakana. Mazava tsara ao amin’ny lalàmpanorenana, hoy izy, fa ny fokonolona no fototry ny fampandrosoana, indrindra, ho an’ny tontolo ambanivohitra. Tsy mba nisy nijery io lalàna manome vahana ny tena fanjakana io mihitsy, hoy izy, ny fitondrana nifandimby nefa ny ety ifotony no tena maharaka tsara ny zava-misy. Tokony hisy mihitsy mialoha ny fitrandrahana, hoy izy ny fifampiresahana satria mazava be ny lalàna mikasika ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany fa 1,4 isan-jaton’ny vokatra azo no mba hany an’ny fanjakana malagasy. “Rariny ve izany nefa ny fanjakana malagasy no tompon’ny tany ?”, hoy izy. Tokony ho 50% na 40% farafahakeliny, no anjarantsika amin’ny maha tompontany antsika. 0,04 %-n’ny velaran-tanin’izao tontolo izao ny velaran-tanintsika kanefa dia eto avokoa ny 7%-n’ny harena voajanahary eto ambonin’ny tany.
Mila ovana ny lalàn’ny fitrandrahana
Tokony hisy ny fifampiresahana, raha ny heviny fa mamono antsika ny lalàna mikasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ary tsy misy fokonolona ifotony manaiky hanome ny taniny hotrandrahan’ny vahiny izany fa olona tsy tompon’ny tany na manana antony hafa ny olona manaiky an’izany.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.