Actualités

Fitrandrahana elodrano eto Madagasikara Mampiasa zaza tsy ampy taona marobe


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Efa nanomboka tamin’ny taona 2007 no niroso tamin’ny fitrandrahana ny elodrano isika eto Madagasikara. Any amin’iny faritra Anosy sy Androy iny no tena ahitana izany izay ahitana zaza tsy ampy taona

 

 maro misehatra amin’izany. Tsy misy mianatra intsony ireo ankizy ireo fa tena mivelona amin’io asa io mihitsy mba hamelomany ny tenany na koa hanohanany ireo Ray aman-dReniny. Manoloana io tranga io dia nisy ny atrikasa notanterahin’ny Ministeran’ny angovo sy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny asa na ny OIT andro vitsivitsy lasa izay nentina nandinihina izany. Tanjon’ny roa tonta ny hahafahana mamantatra ny isan’ireo zaza tsy ampy taona misehatra amin’ity asa ity ka hahafahana mamerina azy ireny eny anivon’ny fiaraha-monina indray toy ireo ankizy mitovy taona aminy. Eo ihany koa ny hanalana azy ireny tanteraka amin’ity asa fitrandrahana elodrano ity. Ho fantatra tsy ho ela moa ny vokatr’ity atrikasa ity.

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT