Actualités

Fitrandrahana ao Soamahamanina Manazava ireo milaza ho tompon-tany


  • Zoma 22 Jolay 2016

Olona tsy misy hifandraisany amin’ny resaka tany any Soamahamanina mihitsy, hoy ireo tompon-tany nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tany an-toerana, no mitaona vahoaka hikomy amin’ny andro fanatanterahan’ny mpianatra ny fanadinana BEPC.

 

 Nomarihan’izy ireo fa tsy noterena izy ireo nampanofa fa tsy nivarotra ny taniny tamin’ireo Sinoa fa nifanaraka mazava ary mandray vola isam-bolana ry zareo amin’izany. Asa aloha, hoy ny fanontaniana mipetraka na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no hanarenan’ny Sinoa ny  tanin’ireto olona ireto izay nolazain-dry zareo fa miverina amin’izy ireo ihany rehefa miala ny mpanofa tany ? Nanizingizina mihitsy moa ireto tompon-tany ireto nampian’ny tompon’andraikitr’ilay orinasa sinoa, Atoa Justin Randrianarison, fa tsy misy rano maloto avy ampiasaina mivarina ao amin’ny renirano Ikalariana ka mety hahafaty biby fiompy.  Ho matiantoka ity orinasa ity raha ny fanazavana azo amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana hampiato ny fanandramana atao fa tsy mbola tonga eo amin’ny dingan’ny fitrandrahana velively satria efa naloany daholo izay tokony ho naloa rehetra., hoy hatrany ny resak’ireto milaza ho tompon-tany ireto.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT