Olona tsy misy hifandraisany amin’ny resaka tany any Soamahamanina mihitsy, hoy ireo tompon-tany nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tany an-toerana, no mitaona vahoaka hikomy amin’ny andro fanatanterahan’ny mpianatra ny fanadinana BEPC
. Nomarihan’izy ireo fa tsy noterena izy ireo nampanofa fa tsy nivarotra ny taniny tamin’ireo Sinoa fa nifanaraka mazava ary mandray vola isam-bolana ry zareo amin’izany. Asa aloha, hoy ny fanontaniana mipetraka na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no hanarenan’ny Sinoa ny tanin’ireto olona ireto izay nolazain-dry zareo fa miverina amin’izy ireo ihany rehefa miala ny mpanofa tany ? Nanizingizina mihitsy moa ireto tompon-tany ireto nampian’ny tompon’andraikitr’ilay orinasa sinoa, Atoa Justin Randrianarison, fa tsy misy rano maloto avy ampiasaina mivarina ao amin’ny renirano Ikalariana ka mety hahafaty biby fiompy. Ho matiantoka ity orinasa ity raha ny fanazavana azo amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana hampiato ny fanandramana atao fa tsy mbola tonga eo amin’ny dingan’ny fitrandrahana velively satria efa naloany daholo izay tokony ho naloa rehetra., hoy hatrany ny resak’ireto milaza ho tompon-tany ireto.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.