Actualités

Fitondrana Rajoelina Mitohy ny politika basin’ariary fito…


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Miharihary hatrany ny politikan’ny basin’ariary fitondran’Atoa Rajoelina. Hafa no lazaina omaly, hafa ny anio, ary mety mbola ho hafa ny rahampitso, hany ka lasa tsy ambony tsy ambany tahaka ny lokalik’alika.

Kitsapatsapa hatrany fa tsy misy sori-dàlana mazava hitondrana firenena intsony, ka ny “selfie” sy ny fampalazana tena no betsaka. Tsy hampandroso an’I Madagasikara na amin’ny 2060 aza ny fitrosana amin’ny mpamatsy vola mahazatra, hoy izy tamin’ny Propagandy. Avy eo mirehareha mampiseho sary fa mahatoky azy, hono, ny mpamatsy vola, ary vonona hanampy amin’ny ezaka sy ny programa entiny. Kepoka ary tsy misy atokona ny Fanjakana ankehitriny, ka lasa mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza hatrany satria ilay PEM aza herintaona aty alohan’ny hahataperan’ny fe-potoam-piasana vao hampahafantarina, hitadiavana mpamatsy sy mampiasa vola. Hahavita inona ny 300 na 400 tapitrisa dolara hitsitaitaika hatramin’ny 2028? Na ny an’ny Vondrona Eoropeanina 235 tapitrisa dolara ao anatin’ny 4 taona izay efa misy làlany hafa? Ny firenen-kafa mahazo amina miliara dolara, ny antsika fitserana,… Hanamboatra “autoroute” 2,5 miliara dolara ka asa hoe: aiza ho aiza izao ny tohin’ilay dia tany Egypte? Misy vola ve? Ny famelomana ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka voasoratra fa mitentina 1,219 miliara dolara kanefa 5 tapitrisa dolara nolaziana hanarenana fiaramanidina roa an’ny Air Madagascar aza toa nanjavona? Ny fampiroboroboana ny resaka seranantsambo sy fitaterana an-dranomasina 1,178 miliara dolara ka aiza no hahita? Raha ny efa mandeha ao Toamasina aloha dia fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana fa ny Fanjakana Rajaonarimampianina no nahita làlana tamin’ny Japonais. Mby aiza ilay filazana fa ny orinasa arabo Al Jaber no hanao ny Tanamasoandro?
MIHA MILENTIKA NY FIRENENA
Ankoatra ny vahoaka Malagasy izay nofitahina, heverina ho pahana ihany koa ny vahiny. Vao miresaka FMI izany, dia isan’ny tompon’ny aty vilany ao ny Vondrona Eoropeanina, izay manao tsindro-paingotra manokana matetika amin’ny lafiny fitantanana, demokrasia, ady amin’ny kolikoly,… Raha ampitahaina amin’I Kaomoro izay nolazaina fa hampindramintsika vola, ny 1franc amin’ny volany mitovy amin’ny 8,6Ar, izany hoe vereziny izany isika. Lazaina fa tompondakan’ny indostria, kanefa ny Sampant-draharaha Iraisam-pirenena momba ny Fananan’asa milaza fa ny asa 9 amin’ny 10 eto Madagasikara dia amin’ny sehatry tsy ara-dalàna na “informel”. Ny fiakaran’ny vidim-piainana hatrany amin’ny 9,8% raha ny ara-taratasy izay efa tena ambony, fa ny zava-misy aza mbola ambony lavitra noho izany. Ny fikorontanam-pitantanana, ady an-trano, kolikoly, afera maizina,… no miharihary, izay toa manamarina ilay nolazain’Atoa Jean Louis Rakotoamboa hoe: “Plan pour l’Emergence des Mafias” no misy eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT