Hisy amin’ity anio ity ny dinidinika ambany tafontrano tarihan’ny prefe ao Soamahamanina mba hamitranam-pihavanana eo amin’ireo mponina any an-toerana nankasitraka sy ny nitsivalana tamin’ilay fitrandrahana volamena nokasain’ny Sinoa natao.
Ofisialy moa omaly ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fitondram-panjakana fa dia miato aloha ny asa fitrandrahana rehetra ao Soamahamanina mba ho fitandroana ny filaminana sy ho fisorohana ny disadisa ara-piarahamonina any an-toerana.
Kitoatoa
Najoro ny komity ivondronana minisitera goavambe 5 handinika indray ny raharaha ka hijery ny mety ho fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana, ny sosialy, ny toekarena ary ny fiainan’ny mponina any an-toerana. Fantatra araka ny tatitry ny filankevitry ny governemanta fa 10 taona lasa izay no nivoaka ny fahazoan-dalana hanao fitsirihana tany Soamahamanina tamin’ny anaran-dRaherimandimby. Efa niova tanana in-droa izy io avy eo nifindra tany amin’ny orinasa Tanety Lava (2007). Nafindran’ity orinasa ity tamin’ny orinasa Sinoa Jiuxing SARL indray avy eo ny taona 2015. Ny faritra itrandrahana ao Andranovolobe ihany no misy fahazoan-dalana ara-tontolo iainana avy amin’ny ONE fa tsy nahazo izany ny ao Antetezamby misy ny alan-tapia, raha ny fanazavan’ny governemanta ihany. Miampanga ny mpanohitra ho mamadika ho politika ny raharaha indray moa ny fitondram-panjakana, izay hita anefa fa kitoatoa fomba fiasa ihany satria efa am-bolana no niteny sy nanaitra ny mponina tao Soamahamanina fa tsy mety io zavatra kasain’ny Sinoa atao io saingy mbola navela nanao ny nataony ihany ary narovana mpitandro ny filaminana mitam-basy. Efa nijoro nanohitra an’io ny Fiangonana, ny firaisamonim-pirenena, ny vondron’olon-tsotra, nisy ny taratasy nalefa tany amin’ny filoham-pirenena fa nanao be marenina hatrany ny mpitondra ary namela malalaka ny Sinoa nanao izay tiany, ny vahoaka norahonana sy nosemporina lakrimôzenina. Tena tsy firaharahaina ny hetahetam-bahoaka ve sa efa nisy nandray vola be tany ho any ka ninia nikipy ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.