Tanteraka ihany na dia nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina aza fa tsy nahazoana alalana ilay filaharambe nataon’ireo mponina ao amin’ny Fokontany Avaratetezana II Ampitatafika mikasika ny olana misy eo amin’izy ireo sy Ramatoa iray izay ambaran’izy ireo fa mila sotasota aminy isaky ny mantsaka rano ny olon-dehibe na ny ankizy. Samy tsy misy manana ny marina izy ireo araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna ihany. Efa hatramin’ny taona 2008 mantsy no nisian’ity olana ity izay azo sokajiana ho adin’ny mpihavana no sady adin’ny mpiara-monina.
Efa in-droa nampihaonin’ny Kaominina ny roa tonta mba hamahana ny olana, araka ny nambarany ihany, saingy io mbola mitohy io ny olana. Ho an’ilay mitantana ny paompy ankehitriny dia nambaran’ny Ben’ny tanàna fa efa nanoro hevitra azy ny Kaominina ny amin’ny hamahany ny paompy vao maraina hisorohana ny filaharambe sy ny fitabatabana saingy saingy tsy nihaino ny tompon’andraikitra. Ho an’ilay Ramatoa sarotiny kosa indray izay tsy tia ny tabataba sy teny ratsin’ireo ankizy mpantsaka dia efa nanome hevitra azy ihany koa ny Ben’ny tanàna ny amin’ny hamindrana toerana ny paompy hiala lavitra ny tananany saingy tsy nekeny. Ankehitriny anefa, mitohy hatrany ny olana izay niafara tamin’izao fidinana an-dalambe izao. Na izany aza anefa, nanamafy ny Ben’ny tanàna fa hovahana tsy ho ela ny olana. Hisy mantsy ny fananganana paompy vaovao hataon’ny kaominina ao amin’ity fokontany ity na dia an’ny Kaominina aza io iadiavana io. Hihena hatrany amin’ny 50% ny vidin-drano aloan’ny isan-tokantrano hoy ny Ben’ny tanàna amin’ny fotoana hahafahan’ny fotodrafitrasa miasa. Efatra hetsy eo ho eo ny tomban’ny fananganana ny trano hasiana ny paompy raha efa hita kosa ny fantsondrano hitarihana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.