Fitokonana etsy Ankatso, fitokonana etsy amin’ny Banky Foibe, fitokonana etsy Ampefiloha ary fitakiana etsy Anosy. Mitombo isan’andro hatramin’ny niandohan’ity herinandro ity ny fitakiana nataon’ny karazan’olona maro samihafa.
Ao ny mpiasam-panjakana (banky foibe), ny mpianatra eny anivon’ny oniversite, ny olon-tsotra mahatsapa ny tsy rariny nitranga tetsy Ampefiloha sy Mahamasina Atsimo ary koa ny tolona politika ataon’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana. Ny tsikaritra dia manomboka milefitra ny mpitandro ny filaminana, toy izay nitranga tetsy Ampefiloha, satria hita ho tsy voafehin’izy ireo intsony ny famerenana amin’ny laoniny ny raharaha. Karazan’olana efatra izay tsy misy hifandraisany anefa ireo no tsy azo hadinoina, kanefa dia ilaina nidiran’ny mpitandro ny filaminana hatrany isaky ny mandeha noho ny vahoaka izay efa romotra loatra ka ahiana ny hihoa-pefy tsy fidiny. Ny filoha anefa tsy mijanona mandeha mihitsy amin’ny fitetezana firenena, mandresy lahatra any ivelany efa ho iray volana katroka izao, ary toa navelany tanteraka aloha ny eto an-toerana izay miha mamay andro aman’alina. Ny hisian’ny fifidianana faran’izay haingana ihany no asesiny.
Fifidianana anaty korontana ve anefa dia mba ho marim-pototra ? Mametraka an’izany fanontaniana izany ny vahoaka manoloana ny zava-misy. Izao indray dia navoaka tampoka ny dosie “Marais Masay” rehefa mandeha ny feo fa hiverina eto an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana. Naverimberin’ny DST moa fa izy no tao ambadik’iny fikasana hamono an-dRajoelina iny ary ny GTT no nandray anjara mavitrika amin’ny fanatontosana izany. Toe-javatra izay efa tsy mahagaga ny maro ihany hatramin’ity fitondrana hafahafa ity. Izay hatrany no paik’ady miverimberina rehefa misy olona tsy tiana hitsofoka eto an-tanindrazana na koa misy olona tiana hosamborina. Mihamitombo ny fitokonana sy ny olona mitady hitroatra. Marika izany fa miha manakaiky ny farany…
r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.