Mbola nikatona avokoa ny biraon’ireo mpiraki-draharaha tao Toamasina raha ny omaly tontolo ny andro.
Nambaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny delegen’ny sendika fa “zonay izao mitokona izao satria tsy nomena anay ny tambin-karama efa nampanantenaina anay ary efa nivoaka tamin’ny alalan’ny didim-panjakana saingy voalazan’ny Trésor indray fa misy fahadisoana sy tsy fetezana. Tsy izahay no diso fa izay nanao fanahiniana sy tsy nanaja ny fifanekena natao, ka miankina amin’izy ireo no handraisanay asa indray na tsia”. Ho an’ireo kandida milaza ny hirotsaka hofidiana solombavambahoaka dia mitaraina izy ireo amin’ny fakana ny antontan-taratasy ilainy, izay miisa roa no tsy maintsy alaina eo anivon’ny fitsarana, ary kirakirain’ny mpiraki-draharaha, dia ny “certificat de nationalité” sy ny “casier judiciaire”.
Tsy manana afa-tsy 20 andro ireto kandida ireto hanomanana izany, tsy hay anefa hatramin’ny oviana no hivaha ny olan’ireo mpiraki-draharaha. Ho an’ny mpitsara kosa dia nambaran’ireo nanontaniana fa “rariny ny fitokonan’ireto mpiraki-draharaha, na betsaka aza ny asa tsy mandeha eto aminay noho izay”. Nomarihan’izy ireo anefa fa “tsy afaka ny manome baiko azy ireo ny mpitsara satria samy manana ny asany na mifampiankina aza”. “Ny azon’ny fanjakana atao dia ny fanekena ny antontan-taratasin’ireo mpilatsaka hofidiana depiote, fa aterina ny antontan-taratasy tsy ampy tokony halaina amin’ny fitsarana, rehefa miravona ny raharahan’ny mpiraki-draharaha ”, hoy hatrany ireto mpitsara nilaza ny heviny ireto.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.