Actualités

Fitokonan’ny ladoany Mizarazara ny hevitry ny mpiasa


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Hanohy fitokonana sa hiverina hiasa ? Mizarazara ny hevitry ny mpiasan’ny Ladoany teto an-drenivohitra noho ny zava-nitranga omaly hariva.

 Nisy ny fivoriambe nataon’izy ireo toarian’ny fihaoanan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny minisitry ny vola sy tetibola, Rajaonarimampianina Hery, saingy tsy nisy zavatra tapaka mazava. Nisy rahateo ny marimaritra iraisana hita nandritra fihaonana teo amin’ny solontenan’ny mpiasan’ny fadintseranana sy ny minisitry ny vola omaly tolakandro momba ireo raharaha mamaivay tao anatin’ny herinandro. Eken’ny fitondram-panjakana ny fananganana ny vaomiera misahana ny fanadihadiana momba ilay “bois de rose” enina kaontenera tratra tany Maorisy ka nahavoarohirohy ny mpiasan’ny ladoany roa ary nampiatoana amin’ny asany ny “receveur” tao Antanimena, lehiben’izy ireo.

Nankatoavin’ny minisitra koa ny famolavolana sata manokana ho an’ireo mpiasan’ny fadintseranana sy ny fampianarana ny mpiasa ny teknôlôjia Gasy-Net. Atsangana ny vaomiera manokana hisahana ny famolavolana io sata io ahitana ny solontena avy amin’ny mpiasa sy ny Bianco. Nazava kosa anefa ny tenin’ny minisitra momba ny fanesorana amin’ny toerany ilay “receveur”, fa “tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny ny fitondram-panjakana”. Vao vita ny fivoriana dia nanao tatitra tamin’ny mpiara-miasa teny Antanimena ireo solontenan’ny mpiasa niatrika ny fivoriana, izay nahitana mpiasa avy eny Antanimena, Antaninarenina ary Ivato no nihaona tamin’ny minisitra. Mizarazara ny hevitry ny mpiasa manoloana ny soso-kevitry ny minisitra. Misy ireo nanaiky avy hatrany handray ny asany fa ao koa anefa ireo mbola misalasala. Ny lefitr’ilay “receveur” ihany moa no notendrena hisolo toerana azy vonjimaika izay tsy tokony hampisy olana, hoy ny sasany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT