Actualités

Fitokonamben’ny mpiasam-panjakana Santatra am-bavarano omaly


  • Alarobia 04 Jolay 2012

Niverina nidina an-dalambe ny Sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara na ny SEMPAMA omaly taorian’ny fisentoana fandinihan-tena nataon’izy ireo ny herinandro lasa iny.

 Nifamotoana teny amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary, anoloan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, Anosy, izy ireo izay tonga maro tsy arakaraka ny filazana fa niverina nandray asa ny mpampianatra. Iny no namaky lay ny hetsika ataon’ny mpiasam-panjakana taorian’ny fanambarana nataon’ny «Cellule interministérielle des Agents de l’Etat» tao amin’ny Carlton ny alatsinainy 02 jolay teo, mialoha ny fitokonam-be hataon’izy ireo amin’ny 11 jolay ho avy izao. Nanamarika ity hetsika omaly ity ny diabe nisantarana ny «Lalan’ny fahafahana (rue de la liberté)», niainga teo amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary  nitanjozotra nihazo teo anoloan’ny Lapa Maitso Anosikely, avy eo nitohy nizotra nanoloana ny Lapan’ny fitsarana Anosy, nandalo teo anoloan’ny Tranombokim-pirenena ary niverina teny amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary. Tonga nanatevina ny SEMPAMA tamin’izany ny solontenan’ny mpiasam-panjakana ao amin’ny «Cellule interministérielle des Agents de l’Etat».

Nohararaotin’ny filohan’ny SEMPAMA, Raharovoatra Claude, ity hetsika omaly ity nanaovany valin-kafatra mikasika ny filazana tamin’ny haino amanjerim-panjakana fa niaraka tamin’ireo sendika sasany sy ny ministera nanao fanambarana izy ireo mikasika ny fanemorana ny fanadinana. «Lainga sy fisandohana izany», hoy Raharovoatra Claude. “Efa nisy ny filazanay fa tsy mahavaha ny olana ny fanemorana ny fanadinana”. Nahitsy tsy nikivilivily koa ny teniny nilaza fa «lainga ny filazana fa efa niverina nampianatra ny mpampianatra any amin’iny faritr’i SAVA iny”. Ireo solontenan’ny mpiasam-panjakana kosa dia nanambara fa manomboka izao dia mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanohanana ny SEMPAMA izy ireo.

“Efa voalaza nandritra ny fivoriam-be tao amin’ny Carlton ny alatsinainy 2 jolay, hoy Ratoejanahary Maharavo na i Doudou, fa tsy hijanona intsony ny fitakian’ny mpiasam-panjakana mandra-piverin’ny hasin’ny asam-panjakana. Hanao tohivakana ny fahatongavan’ny solontenan’ny mpiasam-panjakana eo amin’ny “rue de la liberté”. Amin’ity anio ity, dia fantatra fa ho avy hanatevina ny avy amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpiasan’ny banky foibe. Marihina fa dia nizotra tam-pilaminana ny hetsika omaly, tsy nisy rahateo ny herim-pamoretana nisakana.

 
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT