Actualités

Fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra Mampiteny ny moana ara-bakiteny


  • Alatsinainy 25 Jona 2012

Mampiteny ny moana ara-bakiteny ny resaka fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Madagasikara ankehitriny.

 Tsy avy any avaratra, tsy avy any atsimo, ny any atsinanana sy andrefana tsy lazaina intsony fa dia ora 2 mahery na adiny 3 mialoha ianao no tokony hanainga raha avy eny andrefan’Iarivo (Ambohidratrimo-Ivato-Talatamaty), na avy eny Atsimondrano (Andoharanofotsy sy ny manodidina), na avy any Avaratra (Lazaina-Sabotsy-Namehana), na koa avy any Atsinanana (Ambohimanambola-Alasora-Ambohimangakely), raha hamonjy fotoana aty an-tampon-tanànan’Iarivo. Ny mahagaga ny maro dia miraikitra tanteraka mamono motera mihitsy ny fiara maro ao anatin’ireny fitohanana ireny nefa rehefa tonga ao amin’izay eritreretina fa fositry ny olana ianao tsy dia mahita n’inona n’inona akory.

Ny eny Atsimotsimo manokana dia efa tonga hatraty amin’ny tetezana Ankadindratombo ny fitohanana hatreny Ambanidia, indrindra tamin’ny zoma teo nisian’ny famerenana matso tao Mahamasina. Tsy mahagaga fa ny avy any amin’ny RN2, noho ny tsy fahavitan’ilay tetezana ao Ambohimangakely hatramin’izao, ny avy any Iavoloha sy Andoharanofotsy, noho ny fitohanana eny Tanjombato sy Ankadimbahoaka, dia mandalo amin’iny toerana iny avokoa mitady lalam-poza, hoy ny fitenenana. Fa ny tena marina koa dia misy fitavozavozana eo amin’ny fiasan’ny mpitandro ny filaminana maro ary misy gaboraraka tanteraka eo amin’ny fiara mpitatitra an-drenivohitra sy “suburbaine” mitambatra. Efa zatra ary atao andrimaso toy ny tamin’ny andron’ny vazaha mpanjanaka isika Malagasy fa raha vao dila kely monja ny polisy dia samy manao izay tiany hatao ny saofera. Mila ambenana mandra-pahariva ny andro ireny toerana fantatra fa hitrangan’ny fitohanana ireny fa tsy hoe rehefa mahazara taratasy “contravention” vitsivitsy ny polisy dia tsy hita eo intsony. Raha misy zavatra iray tsy mandeha, hoy ny mpandinika, dia tsy misy afa-tsy ny hoe : ny tompon’andraikitra no tsy manao ny asany ara-dalàna, na koa tsy mahafehy ny olom-peheziny na asany mihitsy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT