Mila hampiteny ny moana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Madagasikara eto isan’andro. Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpandinika antontan’isa dia avy amin’ny mpitatitra, indrindra ny taxibe ny 70%-n’ny fitohanana.
Ny antony hafa dia tsy mifanentana amin’ny fitombon’ny isan’ny fiara miditra eto amintsika ny araben’Antananarivo izay tamin’ny andron’i Dada no nisy ampahany lavalava vaovao nosokafana raha tsy hilaza afa tsy ny «By Pass» sy «Boulevard de l’Europe» ary Marais Masay isika. Lava ny molotry ny mpandeha ao anatin’ireny zotram-pitaterana ireny rehefa mamono motera tanteraka ny mpamily ao anaty fitohanan’ny fiara. Variraraka ny teny ratsy ho an’ny mpamily sy ny mpanampiny na dia efa azo heverina fa tokony ho zatra ny fitohanana isan’andro ihany aza izy ireo. Fa ao anatin’ireny molotra lava ireny koa anefa, mba misy ihany ny soso-kevitra mety azo raisina avy amin’ny resadresaka misokatra ho azy eo anivon’ny mpandeha. Anisan’ny iray amin’izany ny hoe «maninona moa raha mba andramana asiana «caméra de surveillance» avokoa eny amin’ireny toerana tena hisian’ny fitohanana lavabe mandritra ny andro ireny ? Amin’izay mba hita mivantana izay tena fositry ny fitohanana na fiara inona na fiaran’iza na olona iza na olon’iza. Andraisana fepetra hentitra ny manao izany. Isika mantsy izao, hoy ny fanamarihana efa dedaka amin’ny fanarahana ny teknolojia moderna ary sahy milaza mihitsy fa tsy tara amin’ny fivoarana maneran-tany. Malaza amin’ny fifehezana elektronika avo lenta tokoa ange ny namana Sinoa sy Karana ka nahoana tokoa raha… ?
Fa manampy trotraka ny olana ny ataon’ny zotra sasantsasany izay tsy manaraka ny voalazan’ny bokin’andraikitra fa manary olona antenatenan-dalana tsy mety manohy ny diany ho any amin’ny «terminus» intsony. Tamin’ny alahady 17 aprily teo izao dia fiara zotra 015 maromaro no sahy nilaza tamin’ny mpandeha nilahatra lavabe teny Mandroseza fa eo Andavamamba ihany no farany, na dia tokony hanohy ho any amin’ny 67ha izy ireo. Ny andro anefa alahady tsy dia hoe misy fitohanana. Maro ny zotra eto an-drenivohitra manao izany. “Caméra” inona indray no hanaraha-maso azy ireo ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.