Fitiliana trangan’aretina

> Tsy manara-penitra ny “scanner” atao any Mahajanga ?


  • Sabotsy 01 Martsa 2014


Velon-taraina ireo marary asaina manao fitiliana ny aretiny amin’ny “scanner” any amin’ny hopitalim-panjakana ao Mahajanga fa dia vola very sy fotoana lany fotsiny ny azy ireo fa matetika no ampamerenin’ny dokotera mpitsabo manao “scanner” vaovao indray izy ireo fa hoe na “tsy ampy ny sary”, na koa hoe “manjavozavo ny sary tsy ahafahana mahazo antoka ny tena fototr’aretin’ilay marary”.  Manodidina ny telo hetsy Ariary eo anefa ny saram-pitiliana indray mandeha any Mahajanga. Velom-panontaniana mihitsy ireo marary avy any Mahajanga ka voatery miakatra aty an-drenivohitra manohy ny fitsaboana sendra ny Tia Tanindrazana hoe tsy manara-penitra ve ny “scanner” atao any Mahajanga sa ny olona mpikirakira azy no tsy manana ny fahaizana ho amin’izany sa resaka traikefa sa tetika natao handotoana ny hopitalim-panjakana fotsiny mba hisarihana ireo marary hanao fitiliana any amin’ireny toeram-pitsaboana tsy miankina ireny ? Na inona na inona zava-misy dia ain’olombelona no lalaovina amin’itony, ary tena saro-pady tokoa ka mila jerena akaiky ny toe-javatra toy izany mba tsy hanaratsy laza ny hopitalim-panjakana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT