Actualités

Fitifirana teny Behoririka Malahelo ny polisy


  • Zoma 25 Martsa 2011


Naneho ny alahelony ny eo anivon’ny polisim-pirenena omaly taorian’ilay fanafihan-jiolahy nitranga teny Behoririka afak’omaly alina. Raha ny fanazavana tamin’izany dia nilaza izy ireo fa ny polisy mihodidina iny faritra Behoririka iny no nifampitana voalohany tamin’ireo jiolahy. Tamin’izany no nahalavo ilay jiolahy antsoina hoe Marco. Niantso ny GIR izay tsy lavitra teo izy ireo taorian’izay.

Teo anelanelan’izay antso fanampiana tamin’ny GIR izay no sendra nandalo ny FIS ka nanampy azy ireo avy hatrany. Ny nahatohina ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena anefa, dia nolazaina fa ny FIS no nanatanteraka iny ady tamin’ny jiolahy iny, araka ny voalazan’ny gazety sasany. Deraina manokana ny fanampiana izay nasehon’ny FIS, araka ny voalazan’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena, satria avy nanatitra ny filohan’ny FAT izy ireo araka ny voalazan’ny lehibeny no sendra ity fifandonana teny Behoririka ity ka nirotsaka an-tsehatra.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT