Actualités

Fitazonana ny vidin-tsolika Ananan’ireo Kaompania 47miliara Ar ny Fanjakana


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Mahatratra 47 miliara Ar ny trosa ananan’ireo kaompanian-tsolika amin’ny Fanjakana noho ny resaka fitazonana ny vidin-tsolika,

 raha ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo na ny OMH Atoa Laurent Rajaonarivelo omaly. Nambarany fa niakatra ny vidin’ny solika taorian’ny krizy ara-toekarena maneran-tany, miakatra be ny filàna solika, indrindra amin’ny firenen-dehibe. Mbola somary mitazona ny “quota” amin’ny famatsiana ireo mpamatsy solika noho ny fisian’ny OPEP+. 60 dolara teo ny barila taorian’ny krizin’ny coronavirus, nidina 37 rehefa tao anatin’ny krizy lalina satria nihena ny filàna. Tafiaka any amin’ny 80 dolara, noho ny fiverenan’ny toekarena. Nambara fa tsy mikitika ny vidin-tsolika isika ho fitsinjovana ny vahoaka ao anatin’izao fahasahiranana izao. Tsy mbola misy fikitihana, mbola tazonina ny vidin-tsolika tapaka tamin’ny jona 2019, ka mijanona 3400Ar ny litatry ny gazoala, 4100Ar ny lasantsy, 2130Ar ny solitany, hoy ny fanazavana. Raha tany amin’ny volana aogositra dia 45-46 miliara dolara teo ny trosa, mbola hojerena miaraka amin’ny kaompanian-tsolika ny momba izany. Tany amin’ny volana mey 2020, raha nihena be ny vidin-tsolika iraisam-pirenena, dia tsy mba nihena toy ny tany amin’ny firenen-kafa isika satria nolazain’ny Praiminisitra tamin’izany fa manodidina ny 100 miliara Ar ny trosan’ny Fanjakana amin’ny Kaompanian-tsolika. Nolazaina fa septambra na oktobra 2020 teo no mety afaka hanao fanintsiana ny vidin-tsolika, saingy tsy nisy fiovana, tsy mba nisitraka izany fidinana izany toy ny firenen-drehetra ny Malagasy satria nahita fanazavana hatrany ny Fanjakana nenti-niala tamin’izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT