Actualités

Fitaterana Miesona ny minisitera sy ny ATT


  • Talata 21 Jona 2016

Tsy mety haka taratasy fahazoan-dalana any amin`ny ATT na Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety intsony ny mpitatitra maro tao ho ao momba ny fanofana na “location” atao amin`ny fiara mpitatitra olona.


 
Ny antony dia sady “mandany fotoana no be loatra ny vola alain`ny ATT”, hoy ireo mpitatitra. Manodidina ny roa alina Ariary isaky ny fiara izany. Koa raha karama enina alina no anesorana izany dia be loatra ny sara aloa. Dia aleon`ny saofera mividy “fiche de contravention” na taratasy filazan-tsazy amin`ny polisy fantany, dia mandoa roa arivo Ariary izy ka toy ny hoe efa voatanan`ny polisy hafa ny taratasin`ny fiara, raha toa ka misy misava izy. Ao koa ireo sahy mametaka “faire-part”  maty eo amin`ny fitaratra anoloana amin’ny fiara dia tsy voasavan`ny polisy sy zandary, na hita aza fa  “faire-part”  foronina no ataony eo. Ny hafa moa dia sahy miteny mihitsy hoe aleonay mandoa roa arivo Ariary isaky ny misy misakana ka na voasakana in-dimy aza dia mbola vao iray alina izay. Dia ny olona manofa fiara no miady saina satria dia taitai-dava isaky ny misy polisy na zandary misakana, hoe ho tafavoaka sa tsia. Izany no zava-misy ankehitriny, miesona ny minisitera sy ny ATT. Ny loza, raha izao no mitohy dia manome vahana ny tsolotra sy ny risoriso ny fepetra noraisina momba ny fanofana fiara fitaterana olona.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT