Afaka hisidina any Eoropa indray manomboka amin’ity anio ity, rehefa avy nampisalorana ny laharan’ny kaompania Air Atlantique, manana ny foibeny any Islande ilay Airbus A340–300 novidian’ny Air Madagascar tamin’ny Air France.
Mialoha izao dia mbola nofanina tany Islande ireo mpanamory malagasy sy izay rehetra hiasa ao anatin’ity fiaramanidina ity. Nifanarahana ihany koa fa hisy teratany islandey iray hiaraka amin’ireo mpiasa Malagasy miisa 11 hiandraikitra ity fiaramanidina ity.
Vola ariana ?
Vola fanampiny mivoaka ho an’ny Air Madagascar, ankoatra ny fanefana isam-bolana mandritra ny 6 taona ny vidin’ilay fiaramanidina avokoa izany rehetra izany. Samy nihevitra ny rehetra tany am-boalohany fa rehefa mividy ireo fiaramanidina Airbus A340-300 roa any amin’ny Air France isika dia hilamina ny resaka, ary hahazo hisidina any Eoropa amin’izay ny fiaramanidin’ny Air Madagascar. Ary nanao kabary fampanantenana maro ny tompon’andraiki-panjakana sy ny tao amin’ny Air Madagascar, io iaraha-mahita io anefa fa tsy izay no zavatra nitranga fa dia tsy maintsy novaina nomerao tany Islande indray ilay fiaramanidina, ary tsy fantatra izay zavatra hafa mbola hitranga rehefa avy eo.
Tsara homarihana fa mialoha izao dia efa niasa nampitohy an’Antananarivo sy Paris, Antananarivo Bangkok Guangzhou ihany ity fiaramanidina Airbus ity, ary maro ny olana teknika nitranga taminy. Misy ny olona niteny fa nofitahan’ny Frantsay ka nividy fiaramanidina efa brokantera ny Air Madagascar no sady mbola handoa trosa mandritra ny enin-taona be izao ihany. Voaloa anefa ny vola dia mety efa reraka tanteraka sy tsy afaka ny hisidina lavitra intsony ireo Airbus A340-300 roa ireo. Ankoatra izay dia ao anatina krizy no sahy miditra amin’izany ny fitondrana tetezamita. Nanizingizina anefa ny mpitantana ao amin’ny Air Madagascar sy ny fitondrana tetezamita, fa mety ny safidy natao ary hahazoana tombontsoa betsaka noho ny tamin’ny fotoana nampiasana ny Boeing, tamin’ny fitondrana teo aloha. Rehefa tsikaritry ny maro ny tsy mety sy ny zavatra nafenimpenina dia nambara indray fa tsy hiara-kiasa amin’ny Air France intsony, hono, kanefa toa mifandray miafina ihany.
Fanambakana
Rehefa tena dinihana tsara izany zava-mitranga rehetra izany dia hita fa paika sy tetiky ny Frantsay mba hifehezana ny fitaterana anabakabaka eto Madagasikara tahaka ny efa nataony tany Afrika no tena tanjona, fa resabe fotsiny ny ankoatra izay. Tena misy mihitsy ny olona maharaka tsara io tetiky ny Frantsay io, milaza fa sahy manao fanamby ry zareo fa ato anatin’ny enim-bolana dia tsy maintsy mbola hisy olana hafa indray hitranga amin’ireo fiaramanidina Airbus roa novidian’ny Air Madagascar ireo. Fanambakana tanteraka no nataon’ny Frantsay antsika tamin’ny alalan’ny Air France, ary dia roboka koa isika ary dia tsy maintsy hitaty ny voka-dratsiny, hoy izy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.