Firenena 2 amin’ny 234 dia i Madagasikara sy Maoritania ihany no afaka tao anatin’ny lisitra maintin’ny vondrona eoropeanina na ny « Annexe B » eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana ana habakabaka.
Tena mila manohy ny ezaka amin’ny fanatsarana hatrany ny fitandroana ny filaminana sy ny kalitaon’ny asa eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ao anatin’ny fiaramanidina isika, hoy ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro Benjamina Ramarcel Ramanantsoa omaly raha nitatitra ny diany avy nanatrika ny fihaonana an-tampon’ny faha-29 an’ny ASECNA tany Yaoundé Kamerona ny tenany ny 29 jolay lasa teo. Nambarany fa ampitomboina ny fahaizamanao sy ny fahefan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) mba ho voaaramaso ara-potoana ny fiaramanidina rehetra misidina amin’ny habakabak’i Madagasikara. Tsy maintsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’io resaka filaminana amin’ny fitaterana ana habakabaka io isika, hoy ny minisitra satria hampiantrano fivoriana iraisam-pirenena maromaro (COMESA sy OIF). Hotohizana io ezaka io fa tsy hoe mandritra ireo fihaonambe ireo ihany, hoy hatrany izy. I Madagasikara moa no hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-30 an’n’ireo minisitra avy amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny ASECNA ny taona 2017.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.