Amin’izao fotoana izao dia efa misy eny anivon’ny ministera tsirairay avy voakasik’ity olan’ny fitaterana ity na mivantana na tsy mivantana, hoy Rajoelison Rado, Tale Jeneralin’ny fitaterana an-tanety eo anivon’ny ministeran’ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro.
Samy mijery izy ireo ny amin’izay vahaolana azony hoentina avy amin’ny hanatsarana ny zavatra takian’ny mpitatitra amin’izao fotoana. Dia haravona ho iray izay hevitra izay amin’ity faran’ity herinandro ity ary amin’io herinandro vao hitsidika io dia hisy ny fihaonana amin’ireo mpitatitra ahafahana manome azy ireo ny vokatry ny fandinihana natao hoentina manatsara ny tontolon’ny fitaterana amin’ny ankapobeny. Ny zava-dehibe dia nisy ny fifanatonana, na dia tsy mbola mitovy aza ny hevitra.
Misy zavatra maromaro ilana valiny ka eo am-pandalinana izany mihitsy izahay amin’izao fotoana. Ny zavatra tena dinihana dia ny tontolon’ny fitaterana, ny lafiny solika, ny lafiny hetra, Ny fiantraikan’ny zavatra hatao eo amin’ny fiarahamonina. Tsy mora ny mandray fanapahan-kevitra amin’izany ka aleo dinihana lalina tsara. Marihako, hoy Rajoelison Rado, fa ny fanampiana ny mpitatitra dia tsy voatery ho “subvention” ara-bola zaraina mivantana, fa misy endrika be dia be ahafahana manao izany. Ny fanalefahana ny vidin-tsolika dia efa mety vahaolana amin’ny fanampiana azy ireo ary mety fanampiana amin’ny fanaraha-maso ny fitantanan’ny mpitatitra ny fitaovana ananany. Efa mampitombo ny vola azon’ny mpitatitra izany. Marihina fa ao anatin’izany rehetra izany dia efa nanome 72 ora nanomboka ny talata 8 mey teo ireo mpitatitra eto an-drenivohitra hamahana ity olana misy eo amin-dry zareo ity. Hitokona tsy hiasa ny zotra rehetra raha vao tapitra io fe-potoana io.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.