Actualités

Fitaterana an-drenivohitra Mampiesona ny UCTU


  • Talata 12 Febroary 2013

Dila ihany ny volana janoary, efa hisasaka ny volana febroary fa tsy hita akory izay fanatsarana ny kalitaon’ny fomba fiasan’ireo taksibe miasa eto Antananarivo Renivohitra, araka ny nampanantenain’ny UCTU tamin’ny volana novambra.

 Tsara homarihana fa ireo mpitatitra no nilaza fa rehefa miakatra ny saran-dalana dia hanao ezaka lehibe amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fomba fiasa, isan’andro amin’ny zotra rehetra izy ireo. Ireo olona mandeha maraina antoandro hariva amin’ny taksibe eto an-drenivohitra anefa dia mahatsapa fa mbola ny omaly tsy niova ny zava-misy. Maloto ny fiara fitaterana, rovitra ny seza, misy vy mandrovitra akanjo sy mety handratra amin’ny seza sasany. Mbola maro be ny taksibe manao vodihazo, na mijanona minitra maro amina «arret» iray. Mbola misy koa ireo taksbe mamindra ny mpandeha sy miverina eny antenantenan-dalana.

Toa miha mitombo isa ihany koa ny mpamily sy ny resevera tsy manaja mpandeha fa sady maniratsira no manao teny feno avona indraindray. Efa 400 Ar anefa ny saran-dalana, ary nanaiky an’izany ny mpanjifa fa tsy niadihevitra be intsony. Koa mba aiza kosa ary ilay fanatsarana avy amin’ny mpitatitra ? Sa ve mba dokambarotra natao hambaboana ny fon’ny olona fotsiny ireny fa raha ny tena marina dia tsy nisy nieritreritra ny hanatsara ny kalitaon’ny fomba fiasany izany mihitsy ireo mpitatitra ? Koa raha izay no izy dia fampiesonana fotsiny izany no natao teto ary ny vahoaka hatrany no mizaka ny vokany, ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa koa dia hita fa mbola malemy ary voafetra ihany ny zava-bitany. Goragora koa angamba ny fanaraha-maso ka mety ho noho izay no hahasahian’ny mpitatitra manosihosy tsotra izao ilay bokin’andraikitra, nekeny fa hankatoavina raha vao nanomboka niasa izy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT