Actualités

Fitateram-bahoaka Zotra maty Andoharanofotsy omaly


  • Talata 24 Mey 2011

Nitokona ny mpitatitra amin’ireo kaoperativa manao ny zotra Andoharanofotsy iny omaly. Mpamily sy resevera amin’ny zotra 137, 172, 187 ary zotra F an-jatony no indray tsy niasa, nomban’ny tompona fiara sasantsasany.

 Vao maraina dia nilahatra nitanjozotra, nilanja sorabaventy niala avy any Andoharanofotsy nihazo an’i Tanjombato izy ireo. “Tsy ekenay ny tsindrihazolena ataon’ny polisy mavo satroka (polisy monisipaly)», hoy ireo mpamily. Somary nisy ny savorovoro teny Tanjombato omaly maraina, satria dia vosakan’ireo mpanao fihetsiketsehana izay taxibe nandalo teny tamin’io. Niditra an-tsehatra nanaparitaka azy ireo ny polisy nasionaly. Nanamarika ireo tompon’ny fiara sy ireo mpikambana ao amin’ny koperativa fa ireo saofera sy resevera no mitokona ary tsy misy ambadika politika.

Nisy ny fihaonana teo amin’ny tompon’andraikitry ny Kaominina Antananarivo renivohitra, notarihin’ny talen’ny kabinetra, ny kaomisera Rabearisoa Alexandre, niaraka tamin’ny solontenan’ny vondron’ny kaoperativa manao zotra ivelan’ny renivohitra, ary ireo mpitatitra, ka dia fantatra fa niravona ny olana, izay mifototra tany amin’ny fanajana ny bokin’andrakitra sy ny fampiharana am-pisainana ny lalàna.  Mandra-paharivan’ny andro omaly anefa dia tsy nisy ny taxibe niasa, izay nisy fiantraikany amin’ny andavanandron’ny olona mipetraka eny Atsimondrano mpampiasa ireo zotra ireo. Dia an-tongotra no ady eo, ho an’ireo izay tsy nanana fiara.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT