Actualités

Fitarainana momba ny fanolanana “Manjavona eny anivon’ny zandarimaria”


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Ny vatana, saina, fanahy maha olona no zimbazimbaina sy ratraina rehefa misy fanolanana, hoy ireo fikambanam-behivavy maro mivondrona hanohitra ny fanolanana sy ny fanao mamoafady, nanao antsoavo tetsy amin’ny hotely

 Sakamanga Antsahavola omaly. Ny sazy ambony indrindra amin’ny fanafihana mitam-piadiana dia famonjana mandra-pahafaty, hoy izy ireo. Maharary antsika rehefa ny fananantsika no robaina. Mety ho rariny raha vola na finday na zavatra hafa no very ka asiana raharaham-pihavanana fa tsy manaiky kosa izahay raha ny vatana sy ny fanahy maha olona no robaina sy zimbazimbaina ka mbola misy mpampihatra lalana hanao raharaham-pihavanana anatin’izany, indrindra, raha ankizy na zaza no niharam-boina. Tsy natao hialofan’ny mpanao ratsy ny fihavanana sy fivavahana fa ahafahana manameloka ny mpanao ratsy sy miaro ny maha olona aza. 200.000 ariary no saran’ny fitsaboana raha misy niharan’ny fanolanana, raha ny fanadihadiana nataonay. Firy isan-jaton’ny tokantrano Malagasy no manana izany? Manana ivon-toerana handraisana ireo zaza voaolana izahay any amin’ny faritra Atsinanana. Arahana hatramin’ny farany ireo fitarainana noho ireo tranga fa manjavona eny anivon’ny zandarimaria. Misy ny ezaka ataon’ny fanjakana fa tsy ampy. Tsy hitantsika ny iainan’ny mpikarakara ireo zaza ireo any ambany ravin’ahitra any. Kenda izahay satria tsy tonga hatramin’ny farany ny adinay. Aoka izahay! Ain’olona no zimbazimbaina. Mila hamafisina ny fanohanana ireny zaza niharan’ny herisetra anivon’ny fiarahamonina ireny. Aza atao sarisarin’ady hoe lamaody ny ady amin’ny fanolanana dia mody manao izay fa rehefa tena hiady dia andao hiady, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

Legende: Tetsy amin’ny Sakamanga Antsahavola omaly

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT