Taorian’ny fanavaozana ny fisoratana anarana dia tsy maintsy miroso amin’ny fividianana fitaovam-pianarana indray ny ray aman-dreny, lalana tsy azo hihodivirana rehefa volana aogositra tahaka izao.
Nahitana fiakarany hatrany amin’ny 10 % indray anefa ny vidiny amin’ny ankapobeny, misy mahatratra hatrany amin’ny 20 % ho an’ireo karazany tena raitra. Ho an’ny kahie 50 pejy manokana dia niakatra ho 11.000 Ar ny iray fonosana misy kahie miisa 20 raha 10.000 Ar tamin’ny taon-dasa. Niakatra 10.000 Ar amin’ny vidiny mahazatra teo aloha ihany koa ny kahie 100 pejy miisa folo anaty fonosana iray raha 9.000 Ar tamin’ny taon-dasa. Toraka izany ny kahie 200 pejy misy kahie miisa 5 anaty fonosana iray izay lasa 10.000 Ar ihany koa. Tafakatra 5.000 Ar ny iray fonosana amin’ny penina miisa folo misy ny karazan-doko rehetra. Nanamarika ireo mpivarotra fa mbola tena maina ny tsena hatreto. Ny mpanontany no betsaka, indrindra fa ireo mbola mampitovy vidin’entana. Any amin’ny faran’ny volana vao manantena ny fisokafan’ny tsena izy ireo. Ho an’ny kitapo manokana dia 20.000 Ar no vidin’ny farany ambany, indrindra ho an’ireo karazany tsotra kely azo babena misy kisarisary.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.