Manaraka ny fandrosoan’ny teknolojia na dia miadana aza ny fampianarana eto amintsika. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny minisiteran'ny fampianarana ambony, ny minisiteran'ny fampianarana teknika sy fiofanana arak’asa ary ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena amin'ny Koreana dia anisan'ny mahazo tombontsoa i Madgasikara. Tamin'ny taona 2012 no nisy ny famatsiana tabilao nomerika voalohany teto amintsika izay miisa 115. Niampy 518 izany amin'izao fahatongavan'ireo vahiny eto amintsika izao ary hifampizaran'ireo minisitera telo ireo. Misy ny fiofanana nandritra ny efatra andro teny amin'ny INFP Mahamasina, nomen'ireo Koreanina tonga eto an-toerana ny mpanabe amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Ho an'ny minisiteran'ny fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa manokana dia nambaran'ny minisitra Ndremanjary Jean André fa ireo sampam-pampianarana sy taranja rehetra no ilaina fitaovana toy izao satria hiaraha-mahalala tsara fa tsy ampy ny fitaovana misy eto amintsika ary indrindra ny teknisianina ka ilaina ny fahaizan'ny zaza Malagasy. Ireo manampahaizana vahiny kosa dia nanamafy fa tokony hitohy hatrany ny fiofanana toy izao hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana sy hampiakarana ny tahan'ny fahafahana fanadinana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.