Actualités

Fitantanana ny Faritra Mahatsiaro voailikilika Andilamena sy Amparafaravola


  • Alarobia 18 Mey 2016

Nanao diabe nihaona tamin'ireo mpitantana ny faritra Alaotra Mangoro omaly talata ireo zanaky ny distrikan’Andilamena sy Amparafaravola. Fitakiana ny hanomezana lanja ireo olona avy amin’ireo distrika roa ireo no anton-dian'izy ireo.

Fototry ny olana ny nanovana ny rindrandamina (organigrame) hitantanana ny faritra ka nampihena ny fahefana eo am-pelatanan’ny sekretera jeneraly izay zanaky ny distrikan’Andilamena. Naharitra adiny dimy ny fihaonana teo amin'ny mpitantana ny faritra Alaotra Mangoro sy ireo zanaky ny distrikan’Amparafaravola sy Andilamena ireo. Tsy nisy ny zavatra tapaka, araka ny nambaran'izy ireo, fa miandry ny fandraisana andraikitra ataon’ny lehiben’ny faritra izy ireo. Nifanindran-dalana tamin'io ihany koa dia nanao fanambarana mitaona ny lehiben’ny faritra sy ireo olona tsy mitovy hevitra aminy hifandamina ny mpitantana ny antoko HVM distrikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Mafana, araka izany, ny toe-draharaha politika eo anivon'ny fitantanana ny faritra Alaotra Mangoro.

                                                                      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT