Actualités

Fitantanana ny fakon’Antananarivo Nofoanana ny SAMVA, raisin’ny CUA ny raharaha


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Nofoanana ny rafitra SAMVA izay nitantana ny fakon’Antananarivo teo aloha.

 

 

Nanome fanampim-panazavana mikasika ny fanafoanana izany izay tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta, ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany tamin’izany ary fa averina amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ny fako sy ny fanadiovana eto Antananarivo renivohitra. Natsangana ny rafitra “Société Municipale d’Assainissement”, ka ireto farany no handray an-tanana feno sy hampiasa ireo fitaovana nomena sy nampiasain’ny SAMVA hatramin’izay. Na izany aza dia tsy misy ny fandroahana mpiasa raha araka ny fantatra hatrany. Ireo mpiasa teo anivon’ny SAMVA teo aloha ihany mantsy no nampidirina ao anatin’io rafitra io saingy mitaky fahamatorana sy fahavononana kosa izany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fofona dia miteraka aretina maro ihany koa ny fisian’ny fako miparitaka eto an-drenivohitra, indrindra fa amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT