Actualités

Fitantanana mampiahiahy Nampanginina ilay “prime” amina miliaran’ny Jirama ?


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Herinandro omaly no nisian’ilay karazana antontan-kevitra niparitaka nilaza fa volabe 1 031 000 000Ar no nifampizaran’olona 32 tao amin’ny Jirama,

 ka 180 000 000Ar ny an’ny Tale Jeneraly teo aloha Atoa Vonjy Andriamanga, 140 000 000Ar ny an’ny Tale Jeneraly Mpisolo toerana Atoa Rivo Radanielina,…. “Fanakorontanana iniana atao. Atontan-taratasy notefena ivelan'ny jirama, fa tsy nivoaka avy amin'ny orinasa”, hoy Rivo i Radanielina, izay naneho fa tsy mandà ny fisian'ny " prime", fa kosa manaja ny lalàna misy no sady manaja ny fenitra fandoavana izany. Nambara tamin’izany fa efa mandeha ny fanadihadihadiana mahakasika ny raharaha, hikarohana ny olona mety nandrafitra sy nanaparitaka io atontan-taratasy io », hoy izy ny 3 novambra teo. Tsy niandry ela kosa i Mahery Lanto Manandafy, isan’ny nanao ilay ampamoaka voalohany, naneho hoe : Omeo ahy ny porofo fa diso io taratasy navoakako io, torio hoe jerena”. Naneho ihany koa Atoa Serge Zafimahova fa « Mazava tsara ilay « documents » niparitaka, ny salan’isa ao anatin’iny, misy « prime » mihodinkodina, 827 tapitrisa Ar, fa rehefa jerena dia 1,031 miliara Ar izy raha « brut ». Tsy nihambahamba izy nilaza fa tsy misy mitombina ny fanazavana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Jirama. Misy ny vola manodidina ny 120 miliara Ariary izay tsy hita popoka raha ny kajikajy nataony. Nisy ihany koa ilay filazany fa nahazo fiara tsy mataho-dàlana ny Minisitra, Tale Jeneraly,… Ny tany amin’ny Minisitera raha tsy diso aho hoy izy, dia nalohan’ny Jirama 100%. Ny taty amin’ny Jirama 60% alohan’ny Jirama, 40% alohan’ny tompon’ny fiara, ary afaka 3 taona dia azon’izy ireo ny fiara,... Mby aiza ilay ambara fa tena marina sy porofo nangatahin’I Mahery Lanto Manandafy? Nahoana no tsy mitory ny Jirama eo anatrehan’ny heveriny fa fanalam-baraka azy? Hatreto, tsisy fanazavana maharesy lahatra. Tsy misy milaza eto fa meloka Rakoto na Rabe, fa ny mahagaga kosa dia ny toa nampanginana tsotr’izao ny raharaha tsy misy fitsirihana lalina na “audit”, tsy misy fanadihadian’ireo sampan-draharaha misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly na mitombina na tsia kanefa amina miliara maro resaka. Asa mba hisy ihany koa ve ny fanadihadiana parlemantera momba io orinasa io? Rehefa mpanao facebook manohintohina ny Fanjakana ihany ve no tonga dia migadra 44 volana any Antanimora na Tsiafahy fa ny ahiahy amin’ny mety ho fanodinana volam-bahoaka amina miliara tsy misy na hivina fanadihadiana aza ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT